NY MITIA
Mandrera-tsaina ny mitia
Manadala, mampahia
Tsy havitana izay atao
Fa manjombon-dava izao
Mahalasana ambiroa
Mampirediredy koa
Mampiataka amin'ny maro
Mahalasa satopiaro
Izato masonao mahery
Miamalefaka fijery
Ny endrika aza miamalazo
Miova tsy ho voan'ny tazo
(...)
Tsy latsaina ho aho satria
Maharary NY MITIA
Nefa aiza no hizahavana
Fanafan'ny fitiavana?




